Mila fanarenana: anarana sisa ny maha Malagasy

Efa zary ranomasina ilomanosan’ny tanora ankehitriny ny tsy fahalalana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Kianja filalaovan’izy ireo ny fanindraindrana ny an’ny hafa. Tonga akanjo fitafin’izy ireny ka tsy maintsy isalorana isan’andro ny fisandohana ny kolontsaina vahiny.
Ireo vahiny ireo indray no manao tsiombialoha mikaroka momba ny famadihana, famorana, hira sy dihy malagasy, teny malagasy, sns. Mbola rantovina avy amin’ny boky vahiny ny ankamaroan’ny fikarohana sy ny fahalalana momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy monina ao aminy.
Ho hita ve ny very?… Na ho hita aza, efa “niova endrika”. Ohatra, ny namiliviliana ny ohabolana. “Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”. Tany am-boalohany: “Ny todin’itsy natao no miverina”. Amin’ny Malagasy, misy ny tody ary atahorany. Toraka izany koa: “Ny tany no nahavokisana, ny tsihy no nijanonana ela” (maneho fahendrena sy fahalalana) navadika ho “Ny tany nahavokisana tsy hijanonana ela”.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: