« Rehefa nifampiresaka tamin’ny vady aman-janany sy nahazo tsodrano tamin’ny fianakaviana, nanapa-kevitra ny Talenta Production sy ny ekipa rehetra fa hatao ho hetsika fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana an’i Fanaiky ny « Angaredona Mozika Festival » andiany faha-18 amin’ity », hoy ny fanambarana nataon-dRajery. Anisan’ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ity hetsika goavana ho an’ny mozika miaina eto Madagasikara ity izy. Hotanterahina ny 21 sy 22 septambra izao izany, eny amin’ny Naturia Palm Antanambao, Ambatondralambo (RN3).
Anisan’ireo mpanakanto nosafidina tokony handray anjara amin’ny “Angaredona” i Fanaiky. Nokasaina hiaka-tsehatra ny alahady izy sy ireo mpiara-mitendry aminy, saingy hafa ny lahatra. “Noho izay no antony hanaovana ny fanomezam-boninahitra azy, ka hotanana anaty fandaharam-potoana hatrany ny fiakarana an-tsehatry ny tarika. Aminay tena mpanakanto anisan’ny goavana sy nametraka ny talentany teo amin’ny tontolon’ny mozika i Fanaiky, ka rariny loatra raha hanokanana fotoana ho azy”, hoy hatrany ny fanazavan-dRajery, izay sady tale ara-javakanton’ny hetsika rahateo.
Ny talata lasa teo no nodimandry ity andrarezina amin’ny fitendrena gitara beso ity. Hotontosaina anio zoma kosa, ny fanaovam-beloma farany azy. Hoentina etsy amin’ny Ekar Md Etienne Ambanidia, hanatontosana ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ho an’ny fialantsasatry ny fanahiny. Haterina eny amin’ny fasan-drazany eny Ambatobe Analamahitsy i Fanaiky aorian’izay.
Zo ny Aina