Hanomboka ny alatsinainy izao ny asa mafy ho an’ny zaza malagasy, satria hanomboka ny fanatanterahana ny fandaharam-pianarana. Hiditra tanteraka anatin’ny taom-pianarana sy ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana ny mpianatra. Samy miezaka manao izay ho afany, handehanan’ny zaza any an-tsekoly ny ray aman-dreny.
Raha ny zava-misy dia hifandrombahana ny mandefa ny ankizy amin’ny sekolim-panjakana. Noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana sy ny vola ampiasaina amin’izany no antony. Sahirana amin’ny fidiram-bola ny Malagasy, hany ka manaraka ny onjam-piainana.
Azo avadika ho onja miabo anefa izay fironana amin’ny sekolim-panjakana izay. Iza no tsy niaiky sy nipao-tsatroka fahiny, raha vao milaza fa mpianatry ny EPP na CEG izatsy na izaroa. Nireharehana ny fahaizan’ny zaza nanohy fianarana tamin’ireny. Avo lenta ny kalitaom-pampianarana tamin’izany fotoana. Fotoana izao hamerenan-kasina ny fanabeazana ny zana-bahoaka amin’ny sekolim-bahoaka.
Tsy hihanona fotsiny amin’ny fanafoanana ny saram-pisoratana anarana ny minisitera. Tokony hijery ny fomba hanatsarana ny tolotra homena ny taranaka malagasy izay hoavin’ny firenena ihany koa. Vaninandro hanavaozana sy handinihin-tena rahateo izao, manoloana ny fahalovana faobe mianjady amin’ny vahoaka tsy ankanavaka.
r.r