BFV SG sy MJS : manohana ny Makis Ladies

Vonona ny Makis Ladies hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany ho an’ny sokajy D3, taranja rugby. Tonga nanome tohana ho azy ireo ny banky BFV SG sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena.

Hanainga amin’ny talata ho avy izao ny Makis Ladies hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany ho an’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy D3. Fihao­nana tanterahina any Dubai, manomboka ny 27 septambra ho avy izao. Mialoha ny hiaingan’izy ireo, tonga teny amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka ny solontenan’ny orinasa BFV SG sy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena nisolotena ny minisitra. Nitondra tohana sy fanampiana ho azy 30 mirahavavy, izy ireo. Fana­miana, “casquette”, baolina, fanafody sy sakafo ary vola mitentina 3 tapitrisa Ar avy amin’ny minisitera no azon’izy ireo.
Marihina fa nampianarina teny anglisy ireo mpilalao ireo, tao anatin’ny fampivondronana, mba hahazoan’izy ireo miresaka sy miady hevitra eny ambony kianja.
Nisaotra ireo mpanohana ny filohan’ny Malagasy Rug­by, Rakotomalala Marcel, izay nampahatsiahy fa ny Makis Ladies no hany solontena afrikanina amin’ity. Mbola hiatrika lalao fitsapana atsy Kenya ireo mpilalaon’ny Makis ireo, mialoha ny hihazoany an’i Dubai.
Raha tsiahivina, hidona voalohany amin’ny Makis Ladies i Espagne ny zoma 27 septambra ho avy izao, eo amin’ny lalao voalohany.

Tompondaka

Partager sur: