51 ny tranga vaovao: iray lavon’ny Covid-19

Iray indray no lavon’ny valanarerina Covid-19, ny herinandron’ny 17 ka hatramin’ny 23 desambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 51 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 717.  Mahatratra117 ny olona marary amin’izao fotoana izao ka ny telo amin’ireo anatin’ny tranga sarotra avokoa. Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny 23 desambra lasa teo, 67 735 ireo voamarina fa mitondra  sy nitondra ny tsimokaretina ary 1 416 no namoy ny ainy, manome ny taham-pahafatesana  ho 2,09%.

Ho an‘ny tranga vaovao, mitana ny laharana voalohany hatrany ny faritra Analamanga nahitana 35, misy 10 any Matsiatra Ambony, efatra Vakinankaratra ary iray avy any Atsinanana sy Anosy. Nidina ho dimy ny faritra nahatiliana tranga. Mbola mitoetra ny valanaretina ary namoaka filazana ny prefektiora eto Antananarivo fa tokony hapetraka ny arovava sy orona any anaty fiara fitareram-bahoaka. Tsy misy manaraka ny fepetra ny ankamaroan’ny olona, raha ny hita hatreto.

Vonjy        

Partager sur: