Fitondran-tena

 

Hanao ahoana ihany ity hoe sosialim-bahoaka? Na ny fiainam-bahoaka, ny maha olona… Iray amin’ireo andry telo iankinan’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-pitondrana izao izany. Ho hita eo ny atao sy izay ho vita amin’ny fanamby sy fampanantenana. Tsy maintsy mandroso amin’ny fanatanterahana asa. Mbamin’ny hoe midina ifotony, mamaha olana, misy vokatra mivaingana sy azo refesina… Mba manao ahoana kosa izay hisitraka ny fampandrosoana mivantana na ankolaka amin’izany? Resy lahatra fa ilaina ny mandroso, manova zavatra, miala amin’ny mahazatra, tsy mora mionona… Izay miova no afa-kanova, izay miala amin’ny toerana misy na izay iainana no mandroso…
Tsy andrasana sy sitrahina amin’izao ny hoe fandrosoana, fa ihetsehana sy atao. Iandrasana ny hafa na mpitondra avokoa ve izay momba ny tena? Tsy misy fiovan’ny hafa sy ny manodidina ny tena ho azy amin’izao, raha tsy miova na vonon-kiova ny tena. Izay ilay hoe fitondran-tena? Ny tena no mitondra ny tena, fa tsy ny hafa na ny mpitondra. Manao ahoana? Samy mandini-tena sy mitsara tena… Ahoana, ohatra, ireny olona eny an-tsena sy an-dalambe rehetra ireny: misy tena maloto, misaritaka, miteny ratsy, midonana-poana, tsy tohinina fa avy hatrany dia lian’ady… Santionany ireo fa be dia be ny karazany sy ny fisehony any anivon’ny fiarahamonina rehetra any.
Misy tsy mahalala fa tsara sy mahasoa, ohatra, ny madio, milamina, mavitrika…Tsy mahita rano sa tsy manam-potoana? Na tsy miraharaha fotsiny izao satria hoe efa izay… Fitondran-tena io, toe-tsaina, fomba fiaina… Manomboka eo amin’ny tena ny hoe fampandrosoana? Vonona hiala amin’izay misy sy iainan’ny tena fa misy ny tsaratsara kokoa azo atao. Misy ny azo atao fa mila fanapahan-kevitra, fahasahiana, fahavonona, firosoana, fitozoana… Aiza ho aiza?

R. Nd.

Partager sur: