“Festival Triatria” : hanasa ireo namany any Antalaha i Big MJ

Nahoana moa no tsy manana “Festival” koa Antalaha? Fanontaniana tao an-tsain’i Big Mj efa ela io, izay nataony ho tanjona. “Efa nandramako voalohany izy io, taona vitsivitsy lasa izay. Natao maimaimpoana teny amorontsiraka. Ampy nandinihina ny hanatsarana azy izay, ka tonga ny fotoana hanamasahana hetsika ara-kolontsaina ao Antalaha, izay tanànako”, hoy i Big Mj, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro lasa teo.
Hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao ny “Festival Triatria” ao Antalaha. “Nalaiko tamin’ilay hira nampalaza ahy voalohany maneran-tany ny anarana. Hanasako ireo tanora mpanakanto, namana, izay malaza sy andrasan’ny mponina ao Antalaha amin’izao koa io fotoana io”, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Anisan’ireo nasainy ka hanafana ny seho mandritra ny telo alina, ao amin’ny kianjaben’Antalaha, ry Gaei, Tukson, Rim-Ka, Parish, Mopcaan, Lima, Nael, Babalahy, Ceis, CkyCky, Tiji Nega, Syl Mj, Sanyh ary i Mama Red.
“Hisy fiantraikany tsara ho an’ny tanànan’Antalaha ny festival. Natao hampivoatra ara-kolontsaina sy ara-toekarena izany”, hoy i Zoky Vonjy. Anisan’ireo miara-misalahy amin’i Big Mj amin’ny fanatrarana ny tanjona amin’ity hetsika ity izy.
“Tsy misy hidiran’ny politika io fa tena fanehoam-pitiavana ny tanàna. Ny vola azo eo dia hanaovanay asa sosialy, toy ny fanavaozana ny hopitaly sy fianarana, fanampiana ny zokiolona ary fananganana kianja fanaovana basikety ho an’ny tanora”, hoy hatrany i Big Mj.

Zo ny Aina

Partager sur: