Voahaja ny lojika ary mbola voaporofo ny maha andrarezina ny fileovana FTM Manjakaray, eo amin’ny fifaninanana “Top 12 Mada”. Tsy nahatohitra azy ireo ny STM (Savony), nandritra ny andro fahenina notanterahina omaly.
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena “Top 12”, taranja rugby. Anisan’ny lalao nandrasan’ny maro ny fifandonan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny STM (Savony). Tsy mbola afa-bela tamin’ny FTM indray ity mpifanandrina aminy ity. Resiny, tamin’ny isa mazava 71 no ho 28. Mbola noporofoin’ny Dakar indray ny maha andrarezina azy ireo eo amin’ity taranja ity. Vao nanomboka ny lalao dia efa naneho ny heriny ry Lahatra sy Koroka nampian’i Hery sy Pasy. Nisesy avy hatrany ny baolina nentin-tanana. Tsy naharaka ny tolotolotra haingam-pandeha nataon’ireo mpilalaon’ny FTM ny Savony.
Tsy nahafaty afa-tsy “hors jeu” roa ny STM teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, izay nisaraka tamin’ny isa, 52 no ho 6. Fizaram-potoana faharoa vao niezaka nanindry ny Savony, notarihin-dry Dera sy Nirina ary i Todisoa ka nisy ny baolina nentin-tanana miisa 2 vitan-dry zalahy, ny iray ihany no voatsara. Na izany aza, mbola nahatsindry baolina tao ambany haintso ihany koa ny Dakar.
“Nanantombo tamin’ny tanjaka ny mpilalaon’ny Manjakaray ka na nanao ezaka aza izahay tsy voatohitra mihitsy ry zalahy”, hoy i Eric Sefo, mpanazatra ny STM. Tsy mbola resy mihitsy hatreto ny FTM Manjakaray, tao anatin’ireo lalao nataony tamin’ity fiadiana ny “Top 12 Mada”, ity.
Nanampatra hery ny Bebaoty
Teo amin’ireo voka-dalao hafa, nanampatra hery tamin’ny US Ankadifotsy ry Cosfa (Bebaoty). Novesarany tamin’ny isa mavesatra, 94 no ho 3, ry tapany maitso. Tsy nananany hantra mihitsy fa nataon-dry zalahy tamin’ny fanaovana azy. Sesilany ny baolina nentin-tanana, nanomboka hatrany am-boalohany ka hatramin’ny kiririoka farany. Nomontsanin’ny Uscar, tamin’ny isa mazava 50 no ho 32, koa ny Mang’Arts Manjakaray.
Ho an’ny “Top 20 Federal 2” indray, naneho ny heriny koa ny CEA Andranomanalina, nanamontsana an’Atsinanana, 94 no ho 6. Ny XV FA nanilika ny Rosa Club de l’Imerina, 15 no ho 10, ary XV Avenir nandresy ny XV Family, 29 no ho 20.
Tompondaka