DAKA AN-JORONY: Zaza navela, navela ho zaza

Ny hoe : zaza navela dia ireo mpandimby, solofo dimbin’ny ala, saonjo mihoatra akondro. Izy ireo no heverina fa hitondra aina vao ao anatin’ny fianakaviana na fikambanana. Tsy fomban’ny olon-kendry ny mitazona fahefana ela loatra. Rehefa tsapany fa miha osa na miha kely hery ny tenany, antsoina ny zaza navela. Eo amin’ny fanatanjahantena koa misy ny zaza navela. Na eo amin’ny fitantanana izany na eo amin’ny fitondrana ny ekipa na mpanazatra na amin’ny lafiny fitsarana lalao.
Misy tena mahatsangy no àry tokoa ireo zaza navela ireo. Ao kosa nefa ireo toa malaza fotsiny toa lovian-tsahona. Zaza navela saingy tsy misy inoninona vitany fa vao mainka aza manimba ny vokatra tsara napetran’ireo zoky raiamandreny ka mahatonga ny olona hilaza fa aleo hoentin’ny efa zatra ady.
Na eo aza izany, maro koa ny navela ho zaza. Natolotra azy ireo ny fitantanana fa tsy natoro azy ireo ny lalan-kombana ka mivaralila famindra. Ny fitondrana fotsiny no azy fa mbola mieloelo ao ambadika ny mpitondra fahiny ka mibaiko ny zaza navela ho toy ny zaza. Tsy manome sehatra malalaka ireo zaza navela fa manao azy ho toy ny zaza ka toroana vao mahalala ary hanambarana vao mahafantatra. Navela ho zaza fa tsy zaza navela.
Marobe tsy tambo isaina ny taranja ahitana izany. Manipy hoditr’akondro ho an’ny zaza navela ka mibedy sy manebaka raha sendra solafaka satria navela ho zaza.
Mahonena fa akorain’ny mpanatrika ho rebarebany fotsiny ohatry ny akoholahy fahavaratra. Tsy manana lazon’ady satria navela ho zaza.
Zana-dambo mamindra izy ireo, tsy mahery fa mikiry ary mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha, koa aza avela ho zaza fa zaza navela.

Tompondaka

Partager sur: