Baolina kitra: mitady mpilalao hanatevina azy ireo ny Disciples FC

Taorian’ny fiatrehan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny “Ligue des Champions (LDC) Caf 2024”, ny volana aogositra lasa teo. Nilaza ny loharanom-baovao iray ao amin’izy ireo, omaly, fa mitady mpilalao hanatevina ny ekipany, amin’izao fotoana izao. Raha ny fantatra, efa misy mpilalao roa avy amin’ny klioba iray mifanintsana amin’ny “Pureplay Football League” (PFL), halain’ity klioba avy any Vakinankaratra ity, saingy mbola eo am-piandrasana ny fifanarahana ny ekipa roa tonta, ankehitriny.
“Mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatra tanteraka ny mpilalao ankehitriny. Ny 23 septambra ho avy izao, hanomboka hanao fanazaran-tena sy hampivondrona ireo mpilalao ny klioba Disciples FC, raha tsy misy ny fiovana”, hoy ny mpitantana ny Disciples FC. Ankoatra izay, naneho hevitra mahakasika ny lalao izay nihaonan’izy ireo tamin’ny Orlando Pirates, tany Afrika Atsimo, ity mpampita vaovao ity.
Nilaza ny tenany fa avo dia avo ny fifanintsanana afrikanina, indrindra ny ao Afrika Atsimo, ary efa matihanina tanteraka ny rafitra any amin’izy ireo. Nomarihany hatrany fa tsy mitovy ny isan’ny lalao tanterahina eto Madagasikara sy any an-toerana. Tsiahivina fa nahintsan’ny Orlando Afrika Atsimo, teo amin’ny dingana voalohan’ny “LDC Caf” ny Disciples FC.
Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ny taom-pilalaovana 2024 teo, voahosotra ho tompondakan’ny PFL ny Dis­ciples FC ary nandrombaka ny amboaran’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”.

F.R

Partager sur: