Base Toliara : manohitra ny fisakanana ny tetikasa ny olobe

Mitohy ny fitakian’ireo olobe ny hanokafana ny tetikasa Base. Toherin’izy ireo koa ny lainga fanahy iniana afafy hanakanana ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

Tsy mitsaha-mitombo ! Manamafy ny antso ha­nokafana indray ny orinasa Base ny olobe sy ny vovonana ahitana ny foko samihafa any Toliara, toy ny vezo, ny masikoro, ny tanalagna, ny antandroy, sns. Tsy manao politika izy ireo, saingy ahitana mpikambana mitana andraikitra ambony eo amin’ny firenena, toy ny mpahay ny tohodrano, ny toekarena, mpa­mpia­natra eny amin’ny Oniversite, mpandraharaha, sns.
Nampahatsiahivin-dRazaf­in­dravola Augustine fa nahazo ny loka iraisam-pirenena « Indaba 2024 » ny orinasa Base. Ao anatin’ny tsenam-bola (bourse) manaja ny zon’olombelona, sns. Hahazo vola fanonerana daholo ireo tompon-tany ao amin’ny kaominina miisa 5, voakasiky ny tetikasa. Manana drafi-panarenana ny tontolo iainana ny orinasa. Hanana ny lalany manokana ny Base fa tsy hampiasa ny lalam-pirenena faha-9. Miantso ny mpisehatra tsy ankanavaka izy tsy hanao fitaovana politika ny tetikasa, satria tombontsoan’ny besinimaro.
Ho an’i Houssen Ali, CT teo aloha, « tsy nahita olona na iray aza narary aho nandritra ny fitsidihako ny QMM any Taolagnaro. Nanaraka akaiky ny dosie Base Toliara aho tamin’ny taona 2009. Rajoe­lina Andry no nanome ny fahazoan-dalana, ary Ravalo­manana Marc no nanome alalana hiasany eto amintsika. Inona ny mba nentin’ny depioten’i Toliara, ankehitriny, ho an’ny Malagasy ? Niresaka tamin’ny Masikoro tany Tsiafanoka hatrany Ranobe aho, ary mila an’io tetikasam-pampandrosoana io izy ireo ».

Efa manana ny hafa

Ho an’ny tanora, toa an’i Leda Bokassa, « mijaly ny vahoaka satria tsy misy ny asa ». Nilaza ny oloben’ny Vezo, Franklin, fa « tsy miantraika amin’ny jono ity tetikasa ity. Efa misy ny fitrandrahana grafita any Ampanihy, manana an’Ambatovy any Toa­masina, QMM any Taola­gnaro, koa inona ny mba fampandrosoana ho anay » ?
Manohitra ireo mpanakorontana ny foko masikoro any amin’ny kaominina Maro­miandra. « Toherinay ny fa­nambaran’ny depioten’i To­liara I », hoy i Christine Sou­raette sy Clarisse samy mponina any Maromiandra.

Njaka A.

Partager sur: