Minisitera mpiahy : hoentina any Dubaï ny mpanao asa tanana

Nihaona tamin’ny mpiara-miasa aminy, eny amin’ny departemantan’ny Asa tanana, eny amin’ny Cenam Andavamamba, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, ny 13 septambra teo. Nohazavainy fa anisan’ny tena mampandeha ny taozavatra vokarintsika sady antoka ho fampandrosoana anatiny, ny fahamaroan’ny fahatongavan’ny mpizahatany mitsidika an’i Madagasikara. Mila miray fo tanteraka ny mpiara-miasa rehetra hanatrarana ny tanjona napetraky ny fanjakana ary vonona hiara-mientana amin’izany ny minisitera.
Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitry ny Cenam sady nitsidihana ireo mpanao asa tanana mampiranty sy mivarotra ao an-toerana ny dian’ny minisitra. Nomarihiny fa vinavina ny hitondrana ireo Malagasy mpanao taozavatra any amin’ny firenena maro any ivelany. Anisan’izany ny atsy Afrika, ny any Dubaï, India, …, mba hampirantiana ireo vokatra malagasy. Efa ao anatin’ny paikady hanatanterahina izany ny minisitera. Hitohy any amin’ny tsenan’ny taozavatra any an-toeran-kafa ity fidinana ifotony nataon’ny minisitra ity.

Njaka A.

Partager sur: