Soaniadanana : roa lahy tratra teo am-pangalarana

Voasambotry ny zandary tao Soaniadanana, distrika Ankazobe, omaly maraina, ireo jiolahy roa voarohirohy ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fangalarana sy fanimbana fananan’olona. Tapitra very ny jiron’ireo olona mipetraka ao amin’ny tanàna vaovao niorina tamin’ny alalan’ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe. Maro ny fitarainana voarain’ny zandary momba ny fisiana fanimban-javatra ao amin’ity tanàna ao Soaniadanana ity. Anisan’izany ny tranon’olon-tsotra, ny tsena, ny jiro hatramin’ny fiangonana ao an-toerana. Nandray ny andraikiny ny zandary ka nanao ny fanaraha-maso ireo jiolahy ahina ho tompon’antoka amin’izany. Nahitam-bokany izany satria tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireo olon-dratsy, omaly. Niaiky ny heloka vitany izy ireo tao anatin’ny famotorana savaranonando nataon’ny zandary. Nilaza izy ireo fa nisy olona naniraka hanao ny famotehana ny fananan’ireo olona sy hangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. « Amina miliara ny fahavoazana mahazo ny mponina satria maro ny zavatra simba, hatramin’ny fiangonana. Herim-pon’olona, araka izany, no potika miaraka amin’ireo fananany noho ny nataon’ireo olon-dratsy », hoy ny filohan’ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany fa tsy misy ambonin’ny lalàna ka tsy hanaiky fanelanelanana sy raharaham-pihavanana manoloana izao fanimbana ny fananan’olona izao izy. Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy aorian’ny famotorana.

J.C

Partager sur: