Notanana vonjimaika any am-ponja ireo 19 voasaringotra tamin’ny fandorana sy fanimbana ny entana rehetra, an’ny mpandraharaha iray, tao Antsambalahy, distrika Port-Bergé, ny 13 septambra teo. Faty antoka tanteraka no nianjady ilay tompon’entana lasibatra satria nivadika ho lavenona ny fananana nohariana tao anatin’ny taona maro. Tsy vitan’io, nosimbasimban’ny andian’olona ny gony nisy entana hamidy hany sisa tsy may tao amin’io toerana io. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana izy. Nanao famotorana lalina momba io raharaha io ny manam-pahefana. Vokany, olona 19 voarohirohy. Niaiky heloka, nilaza ho nisy nampirisika nanao io fanimbana fananan’olona io ireo olona ireo. Tsy hita anefa ilay tompon’antoka nampanao io asa ratsy io. Diso fanantenana tamin’izany ny iray tamin’ireo voasaringotra ka namoy ny ainy. Manentana ny fokonolona ny zandary miasa ao an-toerana mba hitandrina hatrany amin’ny fandriampahalemana sy fanimbana fananan’olona tahak’izao.
Tsiferana R.