Sosona Ozôna: tokony hiverina amin’ny laoniny amin’ny 2050

Nankalazaina omaly 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny sosona Ozôna. Sosona eny amin’ny habakabaka miaro ny hafanana avy any amin’ny masoandro ity sosona ity. Misy fahasimbany anefa izy io, noho ny asan’ny olombelona, ka mihamanify, na mety misy mitriatra mihitsy aza, mahatonga ny fiakaran’ny maripana. Manampy an’i Madagasikara amin’ny fiarovana io sosona io ny Fikamba­nan’ny Firenena mikambana fam­pandrosoana ny indostria (Onudi).
Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Max Ando­nirina Fontaine, omaly, fa tokony hiverina amin’ny laoniny ny endriky ny sosona Ozôna amin’ny taona 2050. Anisan’ny asa nataon’i Madagasikara, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka, ny fampihenana ny fampiasana ny fitaovana ahitana ny singa manimba ny sosona Ozôna, ny gazy karbonika sy ny miray karazana aminy (HCRC). Misy ny fampahafantarana sy ny fanofanana ireo mpisehatra amin’izany, toy ny mpandraharaha mpanafatra ny fitaovana ahitana fampangatsiahana, ny eny amin’ny ladoany, ny minisiteran’ny Varo­tra, sns.

Njaka A.

Partager sur: