Nohavaozina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Onudi sy ny Oniversite Antananarivo, mahakasika ny fanofananana momba ny fitantanana ny loza voajanahary. Tafiditra ao anatin’izany ny fifehezan’ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo ny lafiny fiovan’ny toetr’andro sy ny vokatry ny fiakaran’ny maripana, ny sosona ozôna miha-manify, sns.
Mitentina 4 tapitrisa dolara isan-taona ny fampiasam-bola atokan’ny orinasa QMM ho an’ny asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Miandraikitra ny fitantanana io sora-bola io ny Tahirimbola ho an’ny fitantanan-drahaham-panjakana (Fonds souverain). Ity farany no manapaka ny fampiasana azy, entina hanasoavam-bahoaka eny ifotony.
Tsy maintsy Malagasy ny 80% ny mpiasa any amin’ireo orinasa tantanin’ny vahiny mitrandraka harena an-kibon’ny tany. Natao lalàna tsy maintsy arahina izany, raha malalaka ny fampiharana azy tany aloha. Tanjona ny hanomezana vahana ny famoronana asa eto amintsika.