Fiatrehana ny fetin’ny Noely: notoloran’ny Arema vary ny eny ambany tanàna

Nanolotra vary hoentina miatrika ny fetin’ny Noely teny Andavamba ny Arema. Nitarika izany teny an-toerana ny sekretera nasionaly (SN), Ratsiraka Annick. Nambarany fa fanatanterahana ny fahendrena napetraky ny amiraly Ratsiraka ny hetsika tahaka izao. Fijerena ny sokajin’olona rehetra, araka ny nambarany. Anisan’ny nisitrika izany ireo mpandray anjara tamin’ny asa tanamaro (Himo), fanadiovana tanana nataon’ny antoko . Nihaino ny hetahetan’ireo mponina teny amin’ny faritra iva ny mpitarika ny antoko ka nahita  fa maro ireo tanora no tsy anasa ao amin’ny fokotany Andavamaba. Nangataka ny hitadiavana vahaolana manolona izany ireo vahaoka ireo. Nampanantena vahaolana maharitra sy asa mitoetra hoan’ireo tanora ireo Ratsiraka Annick.  “Miainga amin’ny fanomezana fampiofanana arakasa ireo tanora tsy anasa izany”, hoy izy. Nankasitraka izao fiaraha mientan’ny antoko Arema izao ireto vahaoakan’Andavamamba ireto.

Synèse R.

Partager sur: