Tratra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny famokarana (FIA) andiany fahenina, teny amin’ny Parc des Expos Forello, Tanjombato, ny 12-15 septambra teo. Nisongadina nandritra ny efatr’andron’ny hetsika ny voka-pamokarana malagasy sy ny fanavaozana ary ny fampivoarana izany. Nanamarika ny hetsika tamin’ity andiany ity ny « Village biolojika » nivondronan’ireo mpamokatra mpikambana eo anivon’ny Sendikà malagasin’ny fambolena biolojika (Symabio) izay nampiranty sy nampahafantatra ireo vokatra vavao « bio » avy eto an-toerana sy mampiavaka ny Nosy. Nahafahan’ireo mpandraharaha nifanakalo hevitra sy nifampizara, nanokatra fiaraha-miasa, ihany koa, ho an’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana. Na eo aza ny fiantraikan’ny Covid-19 sy ny ady iraisam-pirenena, mivoatra hatrany ny famokarana eto amintsika ka nampidi-bola maherin’ny 190 tapitrisa dolara isan-taona, izany hoe, ny 10% ny voka-pambolena naondran’i Madagasikara ny taona 2020. Tsiahivina fa nitodika tamin’ny fampivoarana ara-pamokarana ny lohahevitry ny hetsika tamin’ity taona ity.
Henintsoa H.