« Nofy maitso » : mitaona ny olona hikajy ny tontolo iainana

Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 17 novambra 2024, any Toamasina, ny “Nofy maitso- festival Slam poésie et écologie», andiany fahatelo. Tanora mpiangaly ny Slam miisa roa isaky ny faritany no handray anjara amin’ny fifaninanana. Miisa efatra ny lohahevitra hifaninanan’izy ireo ao anatin’izany. Ankoatra izay, hisy koa ny fanentanana sy fampisehoana. Tanjona ao anatin’ny hetsika ny hanentanana ny olom-pirenena, amin’ny alalan’ny zavakanto, hanaja sy hikolokolo ny tontolo iainana ary hampahafantatra ny olana sy ny zava-misy mahazo izany tontolo iainana izany.
Nosafidian’ny mpikarakara ho fantsona hampitana ny fampianarana sy fitaizana ary fanentanana mahakasika ny tontolo iainana ny Slam, noho izy zavakanto anisan’ny ankafizin’ny tanora malagasy sy be mpiangaly, ankehitriny. «Éco-féminisme, Économie bleue, La justice climatique, Le changement climatique». Ireo no lohahevitra hifaninanana amin’izany. Sahala amin’ny fepetra fiakarana an-tsehatra mandritra ny fifaninanana «Slam» rehetra kosa ny fepetra arahina. Efa mandeha ny fifantenana isaky ny faritany amin’izao. Misy ihany koa ireo efa nahavita ny azy.

Lin

Partager sur: