Efa-dahy karohina : lehilahy voarasarasa antsibe teo amin’ny lohany

Nisokatra ny tranon’atidohany sady norasarasaina antsy ny lehilahy iray tao Morombe, afakomaly. Disadisam-piarahamonina no nitarika ny vono olona.

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, novonoin’ ny mpiara-monina taminy tao Antsirovitry, fokontany Ampasilava, kaominina Basibasy, distrika Morombe, afakomaly. Nisy tsy fifankahazoana teo amin’io lehilahy io sy ny mpiray monina taminy maromaro. Raikitra ady ka nitambaran’ireo efa-dahy izy. Namoaka antsy ny iray ka tsy nisalasala nikapakapa ny faritry ny lohan’io lehilahy io. Nisokatra ny tranon’atido­han’ilay lasibatra. Voakapa tao amin’ny hatony koa izy ka nandriaka ny ra. Nentina ni­hazo ny CSBII Basibasy ilay lehilahy saingy tsy tana in­tsony ny ainy. Nidina tao an-toerana nanao fanadihadiana momba ity vono olona maha­tsiravina ity ny zandarimaria, natrehin’ny sefo fokontany.

Ady tany
Tamin’ny alalan’ny fanadihadian’ny mpitandro filami­nana, fantatra fa ady tany sy halatra tongolo no niantombohan’izao fifamonoana izao. Samy nanararaotra nanam­patra ny heriny tamin’ilay lehilahy lasibatra avokoa ireo efa-dahy voalazan’ny fokonolona nanatri-maso. Nitsoaka nandositra avokoa ireo nahavanon-doza taorian’ity tranga ity. Na izany aza, azon’ny zan­dary avokoa ny anaran’izy efa-dahy sy ny toeram-ponenan’izy ireo. Miroso amin’ny fikarohana sy ny fanaovana ny famotorana lalina momba ity raharaha ity ireto farany.

Tsiferana R.

Partager sur: