Mpirahalahy iray tampo, niaraka namaky trano ka samy voasambotry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ilaivola, kaominina Ivato, ny 15 septambra teo. Nihaodihaody teo amin’ny tokantrano an’ny mpiray monina aminy izy roa lahy. Tamin’ny 3 ora tolakandro, nosokirin’izy mirahalahy ny varavarankelin’ny trano. Niditra antsokosoko tao amin’io tokantrano io izy ireo. Tsikaritry ny iray tamin’ny mponina ao an-toerana anefa io fihetsik’izy roa lahy io. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny olon-tsotra tsara sitrapo. Fotoana fohy taorian’ izay, nigadona teny amin’ny tanàna voatondro ny zandary. Nandositra ireo roa lahy.
Nitsoaka tamin’ny moto
Nitondra moto scooter ireo mpamaky trano roa lahy ireo. Nandositra nanao taingin-droa tamin’io fitaovam-pitanterana io izy ireo. Nanao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana. Vokany, voasambotra izy mirahalahy. Nosavaina ny fitaovana teny aminy. Nahatrarana fitaovana fampiasana amin’ny famakiana trano mihitsy teny amin’izy ireo. Nogiazana niaraka tamin’ny moto nampiasainy izy roa lahy. Natao famotorana ka natolotra ny fampanoavana taorian’izay. Marihina, tsy nahazo na inona na inona tao amin’ilay tokantrano nokasainy horobaina ireto mpirahalahy miara-manao asa ratsy ireto.
Tsiferana R.