“Miss Madagascar 2024”: efa fantatra ireo mpitsara

I Miharisoa Sarah no filohan’ny komity mpitsara. Anisan’ ireo mpitsara sady “coach” kosa Rabeharinirina Manjato Lalasoa, Ramarobandro Michou ary ireo mpikambana ao amin’ny komity Miss Madagascar. Izy ireo, araka izany, no hisafidy amin’ireo tovovavy avy amin’ireo faritra 19 handray anjara amin’ny lanonam-pamaranana ny 28 septambra izao, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka.
Efa nifaninana tamin’ny “Miss Earth 2013” i Miharisoa Sarah. Nanohy ny asa sosialy, indrindra ny fiarovana ny zon’ ny ankizy izy. Toa ireo namany, ny traikefany eo amin’ny tontolon’ny hatsaram-bika no nisafidianana azy ho mpitsara. Efa mpitsara kosa tamin’ny “Miss Madagascar 2021” i Manjato Lalasoa, ka mahalala tsara ny sehatra. Tsy latsa-danja amin’ ireo namany i Michou, izay mpikirakira endrika sy bika an-taonany maro, ka mahalala tsara ny filan’ireo tovovavy hifaninana ho “Miss Madagascar 2024” ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: