« Antson’ny tontolo miaina »: hiompana amin’ny « Ravorona II »

Manomboka ny 28 septambra ka hatramin’ny 17 oktobra izao, eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ny andiany faharoa amin’ny « Antson’ny tontolo miaina ». Hiompana amin’ny « Ravo­rona… » ny lohahevitra. Amin’ ny ankapobeny, manome lanja ny fifamatoran’ny tontolo iainana sy ny kolontsaina ity
hetsika ity. Antony nisafidianana an-d« Ravorona… », noho izy afaka mampitohy ireo tontolo roa ireo. « Vorona, ahafahana mahatsapa ilay rindra misy eo amin’ny olombelona sy ny natiora ka manamarika ny fitohizana eo amin’ny fiainana… Manome maridrefy eo amin’ny fahasalaman’ny tontolo iainana ihany koa ny vorona », hoy ny mpikarakara ny « Antson’ ny tontolo miaina ». Ankoatra izay, tsy nanalavitra ny vorona ny kanto malagasy. Izy ireny, ohatra, no nampitondrain’ny mpanakanto hafatra. Tafiditra ao anaty fandaharam-potoana ny fanentanana samihafa. Ny « live performances », ny valandresaka, ary ny atrikasa miompana amin’ny zavakanto sy ny tontolo iainana.
Mpanakanto 13 no hifarimbona hanatontosa ity andiany faharoa ity raha 8 izany teo amin’ny andiany voalohany. Mpanakanto manana traikefa matanjaka eo amin’ny sehatra misy azy tsirairay. Ao ireo monina any ivelany sy ny eto an-toerana. Anisan’ireny i Johary Ravaloson (mpanoratra), Iandry Randriamandroso (artiste plasticien communautaire sady designer), Masami (artiste plasticienne), Na Hassi (poety sy mpanao slam), sns.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: