Karate-Rezionaly : ligy telo hifaninana

Anatin’ny fiatrehana ny fifaninanana rezionaly avokoa, amin’izao, ireo ligim-paritry ny karate-do malagasy. Ligy 3 indray no hanatanteraka ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly ao amin’ny ligy misy azy avy, ny faran’ity herinandro ity. Ho an’ny ligin’Analamanga, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, no hanaovana ny fifaninanana, ny sabotsy izao, izay ahitana ny kumite sy kata, lahy sy vavy, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Amin’io sabotsy io ihany koa no hanatontosa ny anjarany ny ligin’i Matsiatra Ambony, ao amin’ny Kianja mitafon’Ambatomena, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors, lahy sy vavy ihany koa. Tsy ambakan’izany ny ligin’Anosy izay hanatanteraka ny fifaninanana ny faran’ity herinandro ity koa, raha ny fandaharam-potoana.
Tsiahivina, fifaninanana tafiditra amin’ny fanomanana sy fitiliana izay mpikatroka mendrika hisolo tena ireo ligy tsirairay ireo, ho amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, ireo hatao ny faran’ny herinandro ireo. Araka ny efa fantatra, ny faran’ny volana oktobra izao, any Toliara, no hanomboka izay fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate izay.

Mi.Raz

Partager sur: