Nanolana ankizivavy 16 taona tetsy Itaosy : voasambotra ireo roa lahy nahavanon-doza

Tsy ampy taona ny iray tamin’ireo roa lahy nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fanararaotana ara-nofo sy fandrahonana nataony tamin’ny ankizivavy 16 taona, tao Itaosy, afakomaly.

Mody nomen’izy roa lahy ronono soja, tsy nahatsiaro tena intsony ilay ankizivavy vao 16 taona lasibatry ny fanolanana tetsy Itaosy. Tompon’antoka tamin’ny fanararaotana io zazavavy io ny roa lahy, izay 16 taona ny iray raha toa ka 20 taona ny namany. Nore­bireben’ireo roa lahy ireo io lasibatra io. Nentiny tamin’ny toerana mangingina ka notolorany io ronono soja io. Nampian’izy roa lahy zavatra hafa anefa izany. Nalemy tsy naharim-batana avy hatrany ilay ankizivavy. Nesorin’ireo tsy mataho-tody ny lamba rehetra teny an-koditr’io ankizy tsy ampy taona io. Nanararaotra nanao ny filan-dratsiny izy roa lahy taorian’ izay. Nalain’izy roa lahy horonantsary koa ny fihetsika mamoafady nataon’izy ireo.

Norahonany
Nampiakanjoin’izy roa lahy, nateriny teny amin’ny atsasa-dalana ilay tovovavy taorian’ny fanolanana. Nampi­tandrina mafy io ankizivavy io ireo nahavanon-doza mba tsy hitantaran’io vehivavy io na amin’iza na amin’iza ny zavatra nihatra taminy. Nandra­hona hanaparitaka ny horonantsary ireo roa lahy ireo raha toa ka mitoroka ilay niharan’ny fanolanana. Naharay fitarainana momba ity tranga ity ny zandary ka niroso ta­min’ny fanadihadiana. Voa­sam­botra ireo roa lahy voarohirohy ho nahavanon-doza. Nahatrarana rongony ny iray tamin’ireto farany. Nentina hatao famotorana ka atolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

Tsiferana R.

Partager sur: