Maty rotiky ny balan’ny zandary tao Ambolotarakely, fokontany Mahasoratra, kaominina ambanivohitr’i Sabotsy Ambohitromby, distrikan’Andramasina, afakomaly misasakalina, ny dahalo roa fantatra amin’ny anarana hoe i Lefaly sy i Livakely. Avy nanafika sady nitondra omby ry zalahy tamin’io alina io. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andramasina, hanampy ny fokonolona ao an-toerana. Mialoha izany anefa, efa nanao fisafoana tsy lavitra teo ny zandary. Tonga nanampy tamin’ny fanenjehana koa ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Alatsinainy Bakaro. Nosakanana avokoa ireo lalana rehetra ahina halehan’ireo jiolahy. Vokany, resy tosika ireo malaso ka navelan’izy ireo tao anaty ala kininina ny omby halatra rehetra. Nitsoaka nandositra avy hatrany ireo efa-dahy nitondra ny omby ka raikitra ny fifanenjehana niafara tamin’ny fifampitifirana. Lavo ny dahalo roa raha tafaporitsaka kosa ireo roa lahy namany. Mitohy, araka izany, ny hazalambo ataon’ny zandary ireo dahalo roa tafatsoaka. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa anisan’ireo dahalo nampitondra faisana ny mponina ao amin’ny distrikan’Andramasina izy ireo.
J.C