Nisitrika tao anaty kizo : voatifitra ireo dahalo mpaka an-keriny

Nitrangana fakana an-keriny ny 22 aogositra sy ny 5 septambra teo, tao amin’ny fokontany Mahatsinjo Sahalemaka, Ambohidratrimo. Avotra teo am-pelatanan’ireo olon-dratsy ireo olona nalaina an-keriny taorian’ny fanomezam-baovao sy ny fikarohana ireo zohy fieren’ireo dahalo. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny zandary ka tao anatin’izany no nahafantarana anaran’olona maromaro ahina ho tompon’antoka tamin’izany. Anisan’izany i Daro izay niaiky tao anatin’ny famotorana azy fa nandray anjara tamin’ity raharaha ity. Ny alin’ny 18 septambra teo, lasa ny ekipa rehetra niaraka tamin’i Daro hanondro ny toerana misy ireo namany. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy 30 mn alina anefa dia nifanehatra ny zandary sy ny ekipan’i Daro. Mafy ny fifandonana ka lavo tao anatin’izany i Lemah sy Daro. Tafaporitsaka ireo namany. Basy Mas 36 iray niampy bala roa sy bala efa nitifirana sy bala hafa niparitaka teo amin’ny toerana nisian’ny fifandonana.

J.C

Partager sur: