Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa afaka mivarotra malalaka ireo mpivarotra ao anatin’izao andro fety izao. Voafetra hatramin’ny voalohan’ny volana janoary anefa izany fahalalana izany ho famerenana hatrany ny lamin’ny tanàna.
Noraisina ny fanapahan-kevitra ho fitsinjovana manokana ireo mpivarotra amin’izao fetin’ny faran’ny taona maha betsaka ny mpanjifa izao. Tsy maintsy manaraka ny lamina sy ny fepetra rehetra anefa izy ireo amin’izany ary manaja ny fe-potoana napetraka.
Nankasitraka izao fiantrana ataon’ny Kaominina sy ny fiadidiana ny Repoblika izao ny mpivarotra. Afaka mandafo ireo entana nalaina hahafahana mitsinjo ny fiatrehana ny volana janoary ny herinandro nomena anay, hoy izy ireo.
Misokatra ho amin’ireo mpivarotra, araka izany, ny toerana izay nandrarana azy ireo teo aloha.Mila hajaina ny fahadiovan’ny toerana sy ny lamina rehetra.
Tatiana A