Baolina kitra, vehivavy : goavana ny tanjonan’ny Ascam Afa

Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 11 oktobra ho avy izao, eto Antananarivo, Antsiranana, Fenoarivo Atsinanana, Mahajanga sy Toliara ary Ambalavao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny klioban’ny Ascam Afa Itasy, fa efa vonona tanteraka izy ireo hiatrika ity fifanintsanana nasionaly ity. Tanjon’izy ireo ny ho lasa lavitra amin’izany. Miray vondrona amin’ity tompondakan’Itasy ity moa ny ASJM Analamanga, ny Jet Bongolava ary ny Passion Foot Menabe.
Nanomboka ny volana aogositra teo, tetsy Analakely, no nanomboka nivondrona sy nanao fanazaran-tena ny ekipan’ ny Ascam Afa. Araka ny fanazavana voaray, intelo isaky ny herinandro izy ireo no manomana. Nilaza ireo lehiben’ny klioba fa ao anatin’ny heriny tanteraka ireo vehivavy mpilalaon’izy ireo. Ankoatra izay, miantso ireo malala-tanana ny Ascam Afa mba hanampy azy ireo amin’ny fiatrehana ity fifaninanam-pirenena ity. Manana vina goavana toy ny klioba rehetra ity solontenan’Itasy ity, dia ny ho tompondakan’i Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: