Hanomboka anio ny « Angaredona Mozika Festival », andiany faha-18. Hotontosaina eny amin’ny Canal Olympia ny seho fanokafana, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hanafana izany ny tarika Zandry Gasy sy Rajery. Hitohy mandritra ny faran’ny herinandro eny amin’ny Naturia Palm Ambohibao (RN3) kosa ny andiam-pampisehoana. Tarika ampolony no hifandimby an-tsehatra rahampitso sy ny alahady.
Hisy andiam-pampisehoana mandritra ny “Festival foire régionale Analamanga”. Hanokatra izany anio, manomboka amin’ny 4 ora etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny tarika Iraimbilanja, ry Tempo Gaigy ary ry Mahaleo Taranaka. Ho goavana kokoa izany rahampitso, satria hisy “carnaval” miainga eo Analakely, hifarana eo amin’ny sehatra lehibe ivelan’ny kianja. Hanafana ny rahampitso ry Samoëla, Sayda, Njakatiana ary Ceasar.
Hisy ny fihaonana amin’i Dwa, rahampitso amin’ny 9 ora sy sasany. Etsy amin’ny trano fivarotam-boky Il était une fois, Ankorondrano ny fotoana. Amin’io no hiresadresahin’ity mpanao tantara an-tsary ity ny momba ny “Grand frère”, ilay boky tantara an-tsary malaza, izay izy no nanao ny sary. Hivelatra amin’ny lohahevitra hafa manodidina ny tantara an-tsary sy sariitatra ihany koa izany.
Hitohy ao amin’ny Le Bamboo Lodge Comedy Club ny fampisehoana hatsikana. Mahazo vahana izy ity, ka marisika ny hanohy ireo mpanakanto mpanao hatsikana. Hifampizara sehatra rahampitso manomboka amin’ny 6 ora hariva ry Ny Ahy, Aina Maharavo, Raytra Bellawyck, Mihora ary Lanja. Anisan’ireo niketrika ny “Festival Jôkôsô” farany teo izy ireo.