Hotanterahina eny amin’ny boriborintany faharoa, ao amin’ ny tany malalaka manoloana ny fokontany Andohanimandroseza, ny hetsika ara-pahasalamana eny an-toerana. Ny 22 ka hatramin’ny 25 aogositra izao no hanatanterahana izany. Hetsika karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny departemanta misahana ny fahasalamana. Tanjona ny hanolorana karazana tolotra ara-pahasalamana marolafy ho an’ny vahoaka […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Nanaraka fiofanana ireo tomponandraikitra miady amin’ny aretina tazomoka ao amin’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana, ny faran’ ny herinandro teo. Distrika 4 no nisitraka izany dia Brickaville, Vatomandry, Antanambao manampotsy ary Marolambo. Niarahana tamin’ny tetikasa USAID/Access ny atrikasa fiofanana. Nisy ny fifaninanana tantara an-tsehatra amin’ ny teny frantsay nokarakarain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. […]
Bakalorea- Toamasina : hivoaka anio ny petadrindrina
Anio alatsinainy hariva no vinavinaina hivoahan’ny petadrindrina mirakitra ny lisitr’ireo mpianatra afa-panadinana bakalorea, ao Toamasina. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina kosa ny fiantsoana ireo mpampianatra hisahana ny fandinihana ny naoty farany ambany ekena amin’ny fahafahana. Nambaran’ny filohan’ny oniversiten’ i Toamasina, ny dokotera Razanakolona Diny fa noho ny haratsin’ny toetr’andro no […]
Bakalorea : 56,58% ny taham-pahafahana teto Antananarivo
Tao anatin’ny tebiteby no niandrasana ny voka-panadinana bakalorea, ny faran’ny herinandro teo. 56,58% ny taham-pahafahana ho an’ny teto Antananarivo. Tontosa ny sabotsy teo ny famaritana ny naoty farany ambany ho an’ny fanadinana bakalorea na ny (délibération). Nivoaka tamin’ ny fomba ofisialy ny alahady teo kosa ny voka-panadinana ary niparitaka tamin’ireo […]
Vaovao tambatra
Nifarana omaly ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny toekarena manga andiany voalohany, tao Morondava. Nisy ny fampahafantarana ireo fitaovana entina mandrindra ny fampiroboroboana ny hetsika amin’ny maha sehatra marolafy azy. Nivoitra tamin’ izany ny paikady enti-manatanteraka sy ny drafi-panajariana ary ny politika marolafy hitantanana ny ranomasina. Nizarana akohokely 6 000 […]




