Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Misy ny fitaovana ilaina amin’ny haitao ara-kajy mirindra, novidiana tany amin’ny foiben’ny Firenena mikambana (UNOPS). Hanohanana ny Tetikasa fampandrosoana an’i Menabe sy Melaky, andiany faharoa (AD2M), ireo fitaovana ireo, ka hiantohan’ny fanjakana ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny ladoany. Mitaky ny hamerenan’i Comores ireo volamena milanja 49 kilao ny […]

Fihariana : sambo haingam-pandeha 4 ho an’ny mpanjono

Nanolotra sambokely haingam-pandeha miisa efatra ho an’ny fikambanan’ny mpanjono madinika any amin’ny kaominina Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Vina Marie-Orléa, ny 3 aogositra teo. Natao hanatsarana ny fiharian’ireo mpanjono ny nanomezana izao fitaovana izao, sady koa ahafahan’izy ireo manara-maso […]

Fampandrosoana : maro ny fotodrafitrasa vita eny Atsimondrano

« Atsimondrano fitaratra 2023 ». Io no fanambin’ny distrikan’Atsimondrano. Na teo aza ny krizy Covid-19 sy ny ara-toekarena maneran-tany, maro ny fotodrafitrasa mitondra fampandrosoana vita tao anatin’izay efa-taona sy tapany izay. Miisa 26 ny kaominina ao anatin’ny distrika Atsimondrano, tanta­nin’ny IRD ny 11. Ho an’ny fanamboaran-dalana, misy ny arabe vita godirao, rarivato, […]

Fahasalamana : nanampy ireo reny sy ny zaza ny loholona Ndriana

Nanao hetsika momba ny fahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza ny loholona, Rakotondrainibe Michel na i Ndriana. Nanomboka ny faran’ny volana jolay 2023 teo izany ka nanaovana hetsika manokana ny fisafoana sy fizahana fahasalamana maimaimpoana. Anisan’ny nanaovana izany ny teny Imeri­nafovoany sy ny manodidina, ho an’ny distrikan’Ambo­hidratrimo. Nitohy teny […]

Haitarika : miofana any Etazonia i Laza Rabary

Miofana momba ny haitarika any amin’ny oniversiten’i Harvard any Massachussetts- Boston, Etazonia, Razafi­mamonjy Laza Rabary. Tanterahina amin’ity volana aogositra ity izany mba hahazoana ny antsoina hoe “Certificate of leadership excellence (CLE)”. Anisan’ireo mpampiofana eny amin’ny sekoly ambony ho an’ny mpiasam-panjakana Enam ny tenany. Efa mpikambana teo anivon’ny filankevitra siantifika “Conseil […]