Auteur/autrice : Adnews

Fambolena : Mahatratra 5,17 tapitrisa isan-taona ny voka-bary

Atao eto Antananarivo, ny 9-12 marsa, ny fivoriamben’ny Vovonana hampiroboroboana ny fambolem-bary aty Afrika (Card). Miisa 32 ny firenena mpikambana ka anisany i Madagasikara. Miara-mivory amin’ity andiany faha-21 ity ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka amin’ ny sehatry ny vary. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo aty Afrika sy hampiroboroboana ny fambolem-bary. […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy ho ela ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierampirenena, araka ny nambaran’ny filohany, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimba­zaza. « Efa voafaritry ny Lalàmpanorenana fa anjaran’izy ireo ny manolotra ny praiminisitra. Efa misy ny vondrona parlemantera maro anisa eny Tsimbazaza hanolotra izany », hoy izy. Mitaky ny hamerenana ny fifidianana depiote farany teo ny […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : «Ny filoha no manendry izay hiara-miasa aminy»

“Tsy ao anatin’ny fivoriana izahay amin’izao fotoana izao. Nisy fanapahan-kevitry ny filohan’ny Fanavaozana izay nandrava ny governemanta. Tsy maintsy misy koa fandraisana andraikitra avy amin’ny Antenimierampirenena, araka izay lazain’ny lalàmpanorenana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fandravana tampoka ny governemanta. Ny […]

Samy hotsarain’ny tantara

  « Tic-tac,tic-tac… », hoy ny  feon’ny famantaranora izay, rehefa mba ilaina manenoneno izy fa misy tranga na vaninandro lehibe andrasana izay.  Mahasasa-miandry mihitsy ny fihodin’ny « Lera », rehefa mba anisan’ilay manantenantena raha manjary iny ny tena. Midobodoboka manaraka ny fihodin’ny fanjaitra ny fo. Mangitangitaka izany ny fanahy. Inona no tian-kambara! Efa misahotakotaka […]