Auteur/autrice : Adnews

Fifehezana areti-mifindra: Tomponandraikitra 30 niofana

Olona 30 nampiofanina ho lasa mpampiofana, hampihenana ny ambana mety hampiparitaka ny areti-mifindra, eto Madagasikara sy ivelan’ny sisintanin’i Etazonia, anisan’izany ny Mpox na nendran-drajako. Manofana ireo Malagasy manam-pahaizana momba ny fiarovana amin’ny otrikaretina sy akora biolojika anaty laboratoara, araka izany ity firenena ity. “Ny fisian’ny rafitra laboratoara matanjaka eto Madaga­sikara […]

Ho fanomezan-danja ny vehivavy: Mampiantrano fivoriana iraisam-pirenena i Madagasikara

Natomboka omaly, teny Ambodivona, ny fivoriana andraisan’ny firenena aty Afrika anjara hitondra amin’ny rariny ara-tsosialy manome lanja ny vehivavy. Manana solontena ao anatin’ny hetsika ny vehivavy mpitondra fivavahana, mpikatroka, mpisehatra amin’ny firaisamonimpirenena. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena momba ny zon’ny vehivavy ny hetsika atao. Tanjona ny hanome lanja politika […]

TARATRY ny KANTO

« Sôvan’jazz », eny amin’ny La Garage Antsahavola. Fiarahana hafa indray ity hiseho ny zoma izao ity, manomboka amin’ny 8 ora alina. Fampia­rahana talentan’ireo tanora mpanakanto samy manana ny maha izy azy : Tsanta Randriamihajasoa eo amin’ny vata maroafitsoka sy ny trompetra, Tonny Toufa Loux eo amin’ny zavamaneno ravaka, Sandratra Andria eo amin’ny […]

Andro maneran-tany ho an’ny poezia : Hanamarika izany ny Havàtsa-Upem

Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Toy ny fanaony isan-taona, hankalaza io vanim-potoana io ny Fikam­ba­nan’ny mpanoratra sy ny poety malagasy, Havàtsa-Upem, ny 21 marsa izao. Hotanterahina manoloana ny Tahala Rarihasina Analakely ny « Tabataba an-tononkalo an-tokotany », amin’io andro io. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ka mandra-pahariva. Tsy natokana ho an’ny mpikambana […]