Tonga amin’izany tanàna indray ry zalahy vahiny ! Toa tompon-tanàna fa tsy mba mpitsidika tsotra intsony. Tena lasa mpisehatra fototra amin’ny raharaha politika eto Madagasikara. Tsy misy fotoana mba hahafahan’ilay firenena miana-mandeha. Zary tantanan-dava amin’izay atao. Hambenana toa zazakely. Tsy afa-mikofoka fa voabetroka lava na voapempo vao miana-kendry hikopa-kelatra. Mahatonga […]
Auteur/autrice : Adnews
Fihaonana amin’ireo mpanao politika : maka hevitra momba ny fifidianana ny Sadc
Efa eto an-toerana haka hevitra amin’ireo mpisehatra politika, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao, ny Sadc. Hanao tombana ny toe-draharaham-pirenena izy ireo amin’izany. Hitohy anio hatramin’ny 1 aogositra ny fandraisan’ny Sadc ireo mpanao politika. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo ny eo anivon’ny MMM, tamin’ny alalan’ny filohany, Andrianainarivelo Hajo, tetsy Antaninarenina. Voatsikera […]
Lozam-pifamoivoizana nahafatesana Skoto : mitaky ny fampiharan-dalàna ny fianakavian’ ilay zazalahy fito taona
Manoloana ny fahafatesan’ny zazalahy 7 taona nofaohin’ny fiara teo anoloan’ny hopitaly manara-penitra Morafeno, ny 23 jola y teo, mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’ny mpitondra ny fiara ny fianakaviany. Araka ny angom-baovao, mandeha ny feo fa havoaka hody any an-tokantranony ilay renim-pianakaviana nitondra ilay 4×4, aorian’ny 48 ora nihazonana azy. […]
TSELATRA
Olona sivy indray voasambotra tamina raharaha fakana an-keriny zaza varira iray 12 taona, tao Betamenaka, kaominina Ankalalobe, distrikan’i Belo Tsiribihina, afakomaly. Dahalo 10 lahy nirongo basy no tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny azy. Ankizivavy tsy salama saina no niharan’ny fanolanana nataona lehilahy iray 40 taona tao Andratsiolona Andilana Avaratra, distrikan’Amparafaravola, ny […]
Nandroba mpanangom-bokatra : dahalo roa lahy rotiky ny bala
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nanafika mpanangom-bokatra tao Miadamanjaka, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Nitondra vola mitentina 3 500 000 Ar, niala tao Ambatomisihazo, fokontany Antranoroa hihazo an’i Miadamanjaka, fokontany Ambohibary, ny ramatoa iray. Mpanangom-bokatra izy ka hividy entana no anton-diany. Nifanehatra tampoka tamin’ny dahalo roa lahy nitam-piadiana […]




