Auteur/autrice : Adnews

Kolonely Randrianirina Michaël: « Tsy afapo amin’ny fanarenana an’i Toamasina »

Nidina tampoka tany Toamasina, afakomaly, ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Diso fanantenana amin’ny fivoaran’ny asa fanarenana izy. Fanamarihana avy hatrany no nosantarin’ny filohan’ny Fanavaozana ny lahateniny, niatrika ny tomponandraikitra isan’ambaratongany, tany Toamasina, afakomaly.  « Teto aho nialohan’ny fahatongavan’ny rivodoza Gezani. Vao maraina, vao lasa ny loza dia nitety […]

Akany Avoko Faravohitra : Norobain’ny olon-dratsy

Nisy nanafika, afakomaly, tokony tamin’ny 9 ora sy sasany alina, ny akany Avoko etsy Faravohitra. Tsy misy tamboho ny Akany amin’izao fotoana izao, fa fefy goailaka no na­taon’ny tomponandraikitra hiarovana izany. Niditra tamin’ny alalan’izany ireo olon-dratsy ka nandroba ny entana sasany teo an-tokotany. Anisan’ny voaroba tamin’izany, ny varavaran’ny efitrano fandraisana […]

Nisandoka polisy : Lehilahy iray voasambotra

Lehilahy iray voasambotry ny olisim-pirenena miasa ao amin’ ny komisaria CSP8 Analamahitsy, ny harivan’ny 05 marsa 2026 lasa teo. Enjehina noho ny fisandohana andraikitra ho polisy sy fakana vola amin’ny alalan’ny fandrahonana izy io, raha ny fanazavana voaray. ‎Manara-dia miafina ireo olona mandeha mankany amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy na toerana […]

Lozam-pifamoivoizana : Olona telo maty, roa hafa naratra mafy

Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny toerana maro, nandritra ny sabotsy sy ala­hady lasa teo. Nisy ny fifandonana teo amin’ny samy kodiaran-droa, nisy koa ny mpandeha an-tongotra voafaokan’ny fiara. Olona telo no fantatra fa namoy ny ainy nandritra izany. Olona roa naratra mafy. Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho […]

INDRAY MIJERY

Hahazo vahana ny orana any amin’ny ilany avaratry ny Nosy noho ny fandalovan’ilay tangoron-drahona. Ny tsioka avy atsinanana kosa no handrafitra ny toetry ny andro any an-kafa. Tombanana hahazo vahana kokoa ny oram-baratra any amin’ny morontsiraka avaratra nanomboka omaly ary hitohy anio. Vinavinaina hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm ny tahan’ny […]