Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Manomboka ny volana aogositra hatramin’ny volana avrily ny fotoana mampirongatra ny valanaretina pesta. Efa miomana amin’ny fanentanana sy ny paikady hiadiana amin’ity aretina ity ny tomponandraikitry ny fahasalamana eny ifotony. Hatsangana any Ambilobe, ny hopitaly manara-penitra vaovao, araka ny nampanantenan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Haharitra enim-bolana ny fanatanterahana ny asa. Hanampy […]

BEPC sy CEPE : nitombo ny voka-panadinana tao anatin’ny 4 taona nisesy

Navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly, ho porofo fa mahomby ny ezaka eo amin’ny fampianarana ny taham-pahafahana CEPE sy BEPC manerana ny Nosy. Niakatra hatrany ny taham-pahafahana tao anatin’ny 4 taona nisesy. Ho an’ny fanadinana CEPE, nahatratra 76,07% ny voka-panadinana raha ny tombana manerana ny Cisco rehetra eto Ma­dagasikara. Nahafa-po ny vokatra […]

JMJ any Lisbonne : nanampy ny filoha Rajoelina

Hotanterahina any Lisbonne-Portugal, ny 1 hatramin’ny 6 aogositra izao ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora (JMJ) ho an’ity taona ity. 80 mianadahy mianaka ireo hisolotena an’i Madagasika any an-toerana. Nanome tolo-tanana ho azy ireo ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alakamisy teo. Nitarika ireo solontena ny evekan’i Fenoarivo Atsinanana, Mgr Randriamamonjy […]

Asa mamoafady : 2 tapitrisa ny ankizy tsy ampy taona very zo

Efa miditra amin’ny asa sahady ny ankizy 2 tapitrisa eto Madagasikara. Asa mamoafady no ataon’ny ankamaroan’ny ankizy amin’izany. Nentanina hahafantatra ny zon’ny ankizy ireo ray aman-dreny. Natao tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fampiasana ankizy. Nisongadina tamin’izany, misehatra amin’ny asa sahady ny 53% […]

Kitra vehivavy – « Mondial 2023 »: nisaraka ady sahala i France sy i Jamaïque

Notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Sydney Foot-ball Stadium, ny fihaonana teo amin’i Jamaïque sy i France, taranja baolina kitra, vehivavy. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0 ny roa tonta nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany taona 2023. Lalao atao any Australie sy Nouvelle-Zélande, ny 20 jolay-20 aogositra. Tafiditra amin’ny […]