Naiditra am-ponja vonjimaika ireo 13 mianadahy voasaringotra tamin’ny vaky trano tao an-tapon-tanànan’i Manakara, ny 21 jona teo. Anaty fikambanana, miandahy miambavy, ireto tanora ireto. Mivarotra rongony, manao sinto-mahery sy mangalatra entan’olona any an-trano izy ireo. Manana toerana voatokana hanafenana ireo entana halatra sy hidorohana zava-mahadomelina koa ireo jiolahy ireo. Nanao […]
Auteur/autrice : Adnews
Visa sandoka: jiolahy iray tratran’ny polisy
Naiditra am-ponja vonjimaika ity jiolahy mpisoloky ity. Voasambotry ny polisy noho ny fanamboarana visa sy pasipaoro sandoka tany Fianarantsoa, ny 21 jona 2023 lasa teo, izy. Ny 18 mey 2023, nisy vehivavy iray nosamborin’ny polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato rehefa nikasa ho any France. Nahatrarana taratasy “visa” sy pasipaoro sandoka […]
Tir en l’air du 24 juin 2023
Vao nivoaka ny fonja… Tratra nivarotra héroïne sahady izy roa lahy
Tsy mety fay mihitsy! Vao nivoaka ny fonja ny 15 jona 2023 noho ny fivarotana héroïne ireto jiolahy ireto. Niverina nanohy ny asa ratsiny sahady ka naverina any am-ponja indray… Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup), teny Ampandrana Atsinanana, ny 20 jona 2023 teo, ireo roa […]
Hoavin’ny ankizy malagasy: hamafisina ny ady amin’ny zava-mahadomelina
Nikarakara adihevitra ho an’ny manampahaizana sy tomponandraikitra ambony maro, ny teo anivon’ny Sos Villages d’enfants, afakomaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nodinihina nandritra izany ny fomba hatao mikasika ny fihanaky ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Tanjona ny hijerena paikady entina hisorohana izany eo am-pijerena ny hoavin’ny ankizy rahampitso. Mitsindrona zava-mahadomelina sahady […]




