Tapitra ny febroary 2023 teo ny fe-potoana 25 taona, nifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny QMM. Naverina nodinihina ny fifanarahana ka notsinjovina ny hahazoan’ny firenena malagasy tombontsoa. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herinandrainy, omaly, mikasika ny fifanarahana vaovao nataon’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa QMM. Nisy […]
Auteur/autrice : Adnews
Harena voajanahary: sokatra 59 tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina
Sarona teny Ivato ireo sokatra nafenina tao anaty sakaosy saika haondrana antsokosoko any ivelany. Velon’aina ireto harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara ireto ary napetraka eny anivon’ny Turtle survival alliance Madagasikara. Tratran’ny tomponandraikitra ao amin’ny fadintseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talatra teo, ireo sokatra 59 saika haondrana antsokosoko. Mbola velon’aina […]
Fanamboarana pasipaoro: raisin’ny fanjakana ny hetra
Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany amin’ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana pasipaoro tsotra, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Tsiahivina fa niato nandritra ny iray volana sy tapany ny fanamboarana pasipaora malagasy. Nivaha ny olana taorian’ny nahatongavan’ireo fitaovana […]
“Antsam-piderana ho an’ny firenena”: mpanakanto ara-pilazantsara maro no hanafana ny seho
Hotanterahina ny alahady 25 jona 2023, ao amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny « Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Fampisehoana goavana karakarain’ny fiadidiana ny Repoblika, iarahana amin’ny mpanakanto sy antoko mpihira ara-pilazantsara miisa 18. Hetsika ara-javakanto sy hitondrana am-bavaka ny firenena, mialoha ny hankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izao hetsika […]
Handeha “streaming”: hanafana afon-dasy indray ry Mahaleo
Revy Mahaleo, manodidina afon-dasy… Misy sary avy hatrany ao an-tsain’ny mpankafy, indrindra ireo efa nahazoazo taona ka naharaka ny tarika tany amin’ny taona 1982, izany hoe, teo amin’ny faha-10 taonany. Nisy ny horonantsary nirakitra izany, ary fotoana mamy na ho an’ny tarika na ho an’ny mpankafy io, hatramin’izao. Nitsiry ny […]




