Auteur/autrice : Adnews

Faribolana Sandratra: raikitra ny « Vahim-bazo »

Hiavaka noho ny mahazatra hatramin’izay ity antsam-paribolana ity. Hotanterahina, rahampitso 24 jona, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny « Vahim-bazo ». Hetsika iray hitambarana fankalazana telo sosona : « Iray volana hanandratana ny teny malagasy » sy ny « Iray volan’ny ankizy » ary ny « Fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ». Tsy hiala lavitra ireo […]

Tenisy – « Davis Cup 2023 »: lavon’ i Madagasikara i Lesotho

Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, nandritra ny fifaninanana eran-tany “Davis Cup 2023”, “Groupe V”, izay tanterahina any Kinshasa RD Congo. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, ny alarobia lasa teo. Teo amin’ny lalao “Simple 2”, resin-dRakotomalala Romeo, tamin’ny seta, 2 no ho 1 […]

Basikety-Mada vs USA: halefa mivantana amin’ny « Ecran géant » ny lalao

Ho fiombonana sy fanohanana ny Ankoay, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany U19, hikarakara fandefasana amin’ny “Ecran géant” ny lalaon’i Madagasikara sy Etazonia, ny 24 jona izao, ny ligin’Analamanga, basikety. Eny amin’ny kianja basikety eny Ankatso, ny hanaovana ity fampitana mivantana ity. Hanomboka amin’ny 12 ora ny fotoana ary hisy […]