Auteur/autrice : Adnews

Zotra an-dalamby FCE : niverina rehefa niato amam-bolana maro

Niverina nandeha, nanomboka ny alakamisy teo, ny zotra an-dalamby mpitatitr’ olona mampitohy an’i Fiana­ran­tsoa sy Manakara (FCE), rehefa niato nandritra ny volana maro. Niainga afakomaly maraina tao Fianarantsoa ny lamasinina, nitondra olona aman-jatony ka tonga soa aman-tsara tao Manakara, omaly. “Fahombiazana ny dia natao voalohany ka faly sy ravo izahay […]

Mampanahy ny korontana

Tetezamiitatra e ! Fifidianana e ! Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ny vahoaka variana miady amin’ny fiainana, ry mpanao politika mitady ny fomba hahazoana fahefana misimisy kokoa. Ny mpanohitra sasany, mitady hirika mba hidirana anaty fitondrana, ny efa nahazo toerana sasany te hifikitra. Tsy mahagaga raha samy ahitana vondrona […]

Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy: “Misy matahotra ny haha kandidà ny filoha Rajoelina”

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe tato ho ato ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera, i Lalatiana Rakotondrazafy, omaly. Nohazavainy ny momba ny fizakan’ny filoha Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay. Nambarany fa voafandriky ny adihevitra diso isika ary tsy tokony hipetraka akory izany. ” Hanakanana ny filoha tsy ho kandidà […]

Fetin’ny Fahaleovantena : hatevenina ny fitandroana ny filaminana

Nivory ireo vondron-kery telo samihafa, mivondrona ao amin’ny Emmo manerana ny Nosy, omaly. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny toby Ratsimandrava izy ireo nandritra izany. Nanaova­nan’izy ireo tatitra mikasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny fahaleovantena hoa­vy izao. Teo koa ny fanaovana ny tomban’ezaka eo anivon’ireo EMMO-REG, EMMO-FAR manerana ny Nosy. […]

Very ny poketra : mpitondra taxi moto nivadika ho jiolahy

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria bo­­riborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina, teny Antanety Ambohima­narina, afakomaly, ny lehilahy iray mpanao taxi-moto nivadika nanao asan-jiolahy. Vehivavy iray nandeha hiasa alina ka nahita taxi-moto iray no lasibatra tamin’izany. Fantatra fa ho any Ivandry ity vehivavy ity ka nanakana taxi-moto izy tamin’io fotoana io. […]