Auteur/autrice : Adnews

Nivoaka ny trano ny mpitaiza… : tovovavy 11 taona niharan’ny fanolanana

Lehilahy iray 19 taona karohin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanolanana nihatra tamin’ny zazavavy 11 taona, tao amin’ny Fo­kon­tany Moramanga ambony, distrikan’i Moramanga, ny zoma 9 jona teo. Tsika­ritr’io lehilahy io fa nivoaka ny trano ilay mpitaiza io zazavavy io, niditra mangingina tao an-trano ilay mpanolana. “Reraka avy nijery fahitalavitra aho ka […]

Nitifitra olona : dahalo raindahiny nidoboka am-ponja

Nidoboka am-ponja, ny zoma 9 jona teo, ilay mpangalatr’omby sady mpamono olona iray ikoizana tao amin’ny distrikan’Ampanihy Andre­fana taorian’ny fampanoavana. Dahalo raindahiny, efa namono olona tamin’ny alalan’ny basy izy, ny 29 ao­gositra 2019. Namoy ny ainy tamin’izany ny lehilahy lehibe iray 60 taona. Nokaro­hina, tsy hita ity dahalo ity. Niala tao […]

Naiditra am-ponja… : tratra ireo mpanao trafika sy mpidoroka rôrô

Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (rôrô). Tratran’ny polisy mi­sahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina teny amin’ny faritra Ankoron­drano, afakomaly ireo olona dimy voarohirohy tamin’ity raharaha fivarotana sy fidorohana ary firaisana tsikombakomba amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Angom-baovao no nahafahan’ny polisy nandeha […]

Mampikony : tratra i Goralahy mpaka an-keriny

Tratra ihany! Nokarohina nanomboka ny taona 2017, voasambotry ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mampi­ko­ny i Goralahy, dahalo mpaka an-keriny. Lehiben’ny dahalo mpanao io asa ratsy io mihitsy izy raha ny fanazavan’ny zandary. Nitondra takaitra tamin’ny fakana an-keriny nataony niaraka tamin’ireo namany ny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampa­simatera. Nitory teny anivon’ny […]

Nanafika Cash Point : jiolahy iray maty voatifitry ny zandary

Lasan’ny jiolahy ny vola 2 800 000Ar tao amina Cash Point iray niharan’ny fanafihana tao Amboniavaratra Tsiroanomandidy, afakomaly. Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy iray avy nanafika Cash Point tao amin’ny fokontany Amboniavaratra, kaominina Ambararatabe, distrikan’i Tsiroanoman­didy, afakomaly tolakandro. Lasany nandritra ny fanafihana ny vola mitentina 2 800 000Ar. Nisy afaka niantso ny zandary […]