“Hampiadiana ny isa: mitovy ve ny isa aty amin’ny fonja sy ny any amin’ny fitsarana? Izay no hiaingana hahazoana manatanteraka ny politika momba ny fitanana am-ponja, fa tsy manao asa anjambany fotsiny fa miainga amina isa marina”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ny fitsidihana indray ny fonjan’Antanimora, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiatrehana ny fifidianana : miantso ny tsy hifampihantsiana ny HCC
Nandray ny iraka manokana avy amin’ny Frankofonia (OIF), tonga eto amintsika ny eo anivon’ny HCC, omaly, tetsy Ambohidahy. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sady nanafatrafarany fa aleo atrehina ny fifidianana. “Aoka atsahatra ny fifampihantsiana sy ny fanompana na koa fanivaivana atao any […]
Fanatsarana ny tontolon’ny asa : niaiky ny paikadin’ny filoha Rajoelina ny OIT
Nanokatra ny lahatenin’ny filoha Rajoelina tamin’ny fihaonana an-tampony any Genève ny tale jeneralin’ny OIT, Gilbert F. Houngbo, omaly. Niaiky ny tenany raha nilaza nanoloana ireo mpivory fa fakan-tahaka ho an’ny rehetra ny politikan’ny asa eto amintsika. “Anisan’ny lohalaharana eo amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika tao anatin’ny taona maro ianao andriamatoa […]
Fahaleovantena hoe !
Andro vitsy mialoha ny hankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena sy ny politikan’i Madagasikara, andao mba hiresaka momba ny fahaleovantenan’ny tsirairay. Miainga amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny tokantrano ary ny fiarahamonina no maha firenena ny firenena. Inona anefa no teboka tokony horesahina ? Valiny : tsy misy afa-tsy ny tsy fiankinan-doha momba ny toekarena […]
Dahalo mpaka an-keriny : mafy ny fifandonana, rotiky ny bala i Lemainty
Maty voatifitra ny dahalo raindahiny naman’i Yarisy, dahalo mpaka an-keriny tao Anjozorobe. Nokarohin’ny zandary hatry ny ela, maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana i Lemainty, dahalo ikoizana. Mpiara-miasa tamin’i Yarisy, mpangalatr’omby ary mpaka an-keriny tao amin’ny distrikan’ Anjozorobe izy ireo. Nokarohina nandritra ny telo taona i Lemainty io. […]




