Auteur/autrice : Adnews

Santa : afaka nampiana-janaka rehefa tafapetraka ny Voamami

Mpikambana ao anatin’ ny Voamami Tanjona i Santa, ao amin’ny fokontany Am­bodibonara. Manan-janaka 6 mianadahy izy. Afaka nampiana-janaka ara-dalàna re­hefa mirindra tsara ny findramam-bola. Afaka nampianatra ny zanany any Ma­hanoro ary efa afaka bakalorea izy ankehitriny. “Indray alahady, sendra tsy salama tampoka aho, tsy nanam-bola satria efa nalefa tany amin’ny […]

Kaominina Ambodibonara: manavotra tokantrano maro ny firoboroboan’ny fikambanana Voamami

Notanterahina tany amin’ny kaominina Ambodibonara, distrikan’i Mahanoro, ny herinandro teo, ny Andron’ny Voamami na Vondron’olona an-toerana miara-manao tahiry sy mifampindram-bola, izay novolavolain’ny USAID Access. Anisan’ny miavaka ny Voamami ao Am­bodibonara satria miroborobo ary efa mipetraka ny fifampitokisana sy ny drafitra amin’ny tahiry sy findramam-bola, hoy ny mpiandraikitra ny Voamami ao […]

Havàtsa-UPEM : mitohy ny atrikasa momba ny tantara foronina

Tontosaina anio, eny amin’ ny foibe toeran’ny Havàtsa-UPEM, Tahala Rarihasina Analakely, ny Atrikasa fanoratana tantara foronina karakarain’ny fikambanana Ha­vàtsa-UPEM. Ity hetsika ity izay tafiditra ao anatin’ny iray volana anandratana ny teny malagasy. Amin’ity anio ity, Ranjatohery Harilala, mpampianatra sy mpikaroka ary mpanoratra tantara foronina no hitarika ny atrikasa. Tan­jona amin’izao […]

« 14ème Slam national » : efa fantatra ny datin’ny hetsika

Fantatra taorian’ny fandraisan’anjaran’i Madagasi­kara, tamin’ny fiadiana ny amboara eran-tany fa hotanterahina ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023, eto Antananarivo, ny «Slam National» andiany faha-14, karakarain’ny fikambanana Madagaslam. Maro ny ezaka entina hanatsarana ity andiany faha-14 ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra mpikarakara. Efa manomboka mahazo laka eto Madagasikara ny […]