Na firenena kely velaran-tany aza i Israely, ambony be ny tahan’ny fitomboan-karena isam-batan’olona. Nampahafantarina, omaly, ny fijoroan’ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara (CCISMA) eto Madagasikara. Tanjona, ny hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra ary ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta. Manana tombondahiny amin’ny lafiny fahaiza-manao i Israely, eo amin’ny sehatry ny fambolena […]
Auteur/autrice : Adnews
Betafo : nahazo ozinina manodina ovy ho lasa chips
Afaka manodina ovy 100kg isan’ora ilay milina napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao Betafo, omaly. Hanampy betsaka ny tantsaha ny fahazoana ity ozinina ity, noho izy ahitana lalam-barotra amin’ny famokarana ao an-toerana. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy […]
Fandraharahana : namatsy 100 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena
Natao sonia, omaly 9 jona, ny fifanarahana famatsiam-bola 100 tapitrsia dolara, eo amin’ny Banky Iraisam- pirenena (BM) sy ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Mizara telo ny sehatra hampiasana ity 100 tapitrisa avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ity. Voalohany, hanamafisana ny fahaiza-mitantana ny lafiny […]
Fitsirihana ny lisi-pifidianana: miisa 29 000 ireo anarana miverimberina
Natao, omaly, teny Alarobia ny famelabelarana ny valin’ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy. Namelabelatra ny valin’ny fitsirihana nataony ny manampahaizana avy amin’ny Tim sy ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena “Hetsika fampiraisana kristiana ho an’ny firenena – HFKF”. Niatrika izany ny komity, ahitana ny solontenan’ny fiaraisamonim-pirenena sy ny mpanao politika, ny birao maharitry ny […]
Antohomadinika : mpianaka mpanaparitaka rôrô
Noraisim-potsiny! Maro ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ireo tanora mandray zava-mahadomelina eny Antohomadinika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny polisy manao fanamaniana sivily avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67ha teny an-toerana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa mpianaka no anisan’ny mpanaparitaka roro ao Antohomadinika atsimo. Tratra teo am-panaovana […]




