Auteur/autrice : Adnews

Iles Eparses : hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitakiana i Rosia

Fiaraha-miasa sy fifandraisana efa ampolo taonany maro ny misy eo amin’i Rosia sy i Madagasikara. Tontosa, omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia, eny Ana­la­mahitsy, ny fankalazana ny andron’i Rosia. Fotoana natao hahatsiarovana ny na­nambarana ny fiandrianam-pirenen’ny Rosianina ny 12 jona. Manampahefana maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nisolo tena ny fitondram-panjakana tamin’izany lanonana izany. […]

Eccova: 800 isan-taona ireo mpianatra mivoaka eo anivon’ny sekoly

Vita afakomaly ny fanadinana ara-panjakana teo an­ivon’ny ivontoeram-panofanana Eccova, manerana an’i Madagasikara. Naharitra roa andro, natao ny 7 jiona ny adina an-tsoratra ary 8 jona lasa teo ny adina fampiharana ho an’ireo mpianatra. Niom­pa­na tamin’ny fanjairana gilet ny adina tamin’izany. Ma­ha­tratra 15 ireo ivontoerana ary maherin’ny 400 ireo ankizy nandray […]

Fanadiovana ny fako: nahazo dabam-pako 115 sy fiarabe 2 ny CUA

Nahazo fitaovana (dabam-pako 115 sy camion vidangeur roa ary fitaovana fiarovana maro samihafa) avy amin’ny Pnud ny kaominina Anta­na­narivo Renivohitra, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Tonga nanatrika izany, ny ben’ny Tanànan’An­tananarivo Renivohitra sy ny solontenan’ny Pnud. «Hampi­asaina handraofana ny fako sy hanadiovana ny lakandrano eto amin’ny […]

Fampandrosoana an’Antananarivo : miara-miasa amin’ny kaominina ny mpivarotra sy ny mponina

Nanao soniam-piaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo fikamban’ny mpivarotra sy ny mponina manerana ny boriborintany enina, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifanarahana. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana 27 ireo mponina, ao anatin’ny fikambanana dimy ireo mpivarotra, izay manerana ny boriborintany enina. Tanjona ny hamerenana ny hasin’ny tanàn’Antananarivo mba […]

Fiahiana sosialy: nanome 7 hetsy dolara ny Pam

Vita tetsy Anosy, omaly, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny fandaharanasam-pi­re­nena momba ny fanjarian-tsakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Vola mitentina 7 hetsy dolara no enti-miasa hanarenana ara-tsakafo ireo olona tena marefo any amin’ireo faritra iasany, amin’ity taona ity. Havaozina isan-taona ny […]