Tontosa omaly, teny Ampahibe, ny famoahana ireo manamboninahitra mpiofana ho amin’ny fanampim-pandalinana ho fikajiana ny fahasalaman’ireo miaramila (CCSM), andiany fahefatra. Nanotrona izany ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana. Mitontaly 36 mianadahy ireo notolorana maripahaizana . “Voaporofo ary voatazon’ny DCSSM ny andraikitra fanomanana olona ho mpitsabo mpiara-miasa […]
Auteur/autrice : Adnews
Fikaonandoha fampanan’asa : ampiana hitia ny asa safidiany aorian’ny fianarany ireo tanora
Nikarakara hetsika fikaonandoha momba ny asa (Forum de l’orientation et de l’employabilité), andiany fahafito, ny fandaharanasa Sesame. Atao eny amin’ny foiben’izy ireo, etsy Ambatoroka izany ka mitohy anio. Tanora maherin’ny 5000 no andrasana hanatrika izany, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tanjona ny hanampiana ireo tanora hitady sy hisafidy ary hanana traikefa […]
“World Cup 3×3” – Coach Deda: nitaky tanjaka be ny lalao rehetra
Nifarana hatreo ny lalan’ny Ankoay, tao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, tany Vienne Autriche. Laharana fahefatra i Madagasikara tao amin’ny vondrona nisy azy, rehefa naharesy an’i Frantsa, 21 no ho 20. Mitondra ny fomba fjeriny ny Mpanazatra Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda). *Gazety Taratra : Nanao ahoana ny […]
Boky «Ny diako» : mivoy ny zon’ny olona sembana i Fela
Nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe “Débout” na “Ny diako”, Razafinjato Fela, filoha mpanorina ny fikambanana sembana mijoro. Navoakany sy nasehony tamin’ny mpanao gazety tetsy Antanimena, omaly, izany. Tanjona ny hivoizana ny zon’ny olona manana fahasembanana sy hampahafantarana ny olona ny fiainan’izy ireo, ny antony nanoratana ny boky, raha ny […]
Ady amin’ny tazomoka: CSB 30 any Farafangana nanaovana andrana
Nanaovana tombana ny fanitarana ny fandraisana an-tanana ny olona mararin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana, nataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny fahafatesana vokatr’ity aretina ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-pirenena momba ny ady amin’ny tazomoka (PNLP) ny hanitatra amin’ny faritra maro ny ady amin’ny tazomoka. Manohana […]




