Auteur/autrice : Adnews

Fantina sy fintina

Nandefa telegrama fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy sy ny filohan’ny Fanavaozana noho ny fetin’ny 26 jona ny filohan’i Etazonia, i Donald Trump. Teo koa ny filohan’ny Federasionin’i Rosia, i Vladmir Poutine; ny filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, i Xi Jinping; ny filohan’ny vondron’ny Nosy Kaomaoro, i Azai Assoumani; ny […]

Mbola be ny adidy !

Tena nahafinaritra ny fety ! Toy ny isan-taona, nahoraka ny fampisehoana sy ny afomanga nanerana ny distrika. Raha atao bango tokana, nahafapo ny mpankafy ny hetsika rehetra. Nakotrokotraka ny fety. Samy nanao izay ho afany ny manampahefana isan-tsokajiny. Vanim-potoana nentina namaly babena ny olona nifidy sy nandatsa-bato izany ho an’ny […]

Fetim-pirenena, 26 jona: nanetriketrika ny fankalazana ny faha-66 taona

Notanterahina teny amin’ ny Kianjan’ny Barea Maha­masina, omaly, ny lanonana fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena sy ny faha-66 taona nijoroan’ny Foloalin­dahy Malagasy. Nanetriketrika ny fankalazana. Toy ny mahazatra, nisy ny matso lehibe, nahitana mpandray anjara 3 800 isa. Filoham-panjakana roa nanome voninahitra ny fotoana. Anisan’izany ny filohan’ny vondro-nosy Kaomoro, Azali Assoumani […]

Kolonely Randrianirina Michaël: « Tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara »

Miantso firaisankina ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mba hanatrarana ny tena fahaleovan-tena. Nohamafisiny fa mbola miankindoha tanteraka amin’ny firenena vahiny i Madagasikara ka zary miaritra fahatany ny fanatontoloana. Nanao lahateny fohy ho an’ny vahoaka malagasy, halina, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Nivoitra, tamin’izany, ny […]

Fianarantsoa: maty ilay lehilahy voahitsaky ny kamiao

Nizara roa! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Ankazondrano, kaominina an-dRenivohitra Fianarantsoa, omaly maraina. Voahitsaky ny kamiao ilay lehilahy ka nisaraka ny vatany. Olona tsy vaovao amin’ireo mpivezivezy ao an-toerana, mpibata entana ao amin’ny toeram-piantsonana ao Ankazondrano, ity tra-doza ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra mazava ny […]