Nanehoana kolontsaina marolafy ny tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, omaly. Nanaitra ny rehetra ny fandraisana anjaran’ireo vahiny rosianina. Ny gadona efa fandre ihany, fa ny feony kosa dia vaovao tanteraka… Na izany aza, nitondra hafaliana ho an’ireo izay nanatrika ny « Podium » lehibe tetsy Mahamasina, omaly tolakandro, ireo mpanakanto avy any Rosia. […]
Auteur/autrice : Adnews
JME Atsinanana: zana-kazo 2 000 nambolena
Niaraka nankalazaina ny 23 jona teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME) sy ny Andro fiarovana ny zavamananaina hiadiana amin’ny fahangazan’ny tany, ho an’ny faritra Atsinanana. Tany Ambodiriana, distrika Toamasina II no nanatanterahina ny fotoana, ao anatin’ny Faritra arovana Betampona. Miisa 2 000 ny zana-kininina nambolena any an-toerana. Nankahery […]
Tetikasa APA: fizarana ny tombontsoa avy amin’ny fototarazo
Natao omaly, ny tatitra momba ny tetikasa Fizarana ny tombontsoa azo avy amin’ny fototarazo sy ny fahalalana nentim-paharazana mahakasika ny zavamaniry (APA). Voakasik’izany ireo zavamaniry fanao fanafody, fikarakarana ny vatana sy tarehy. Tetikasa natao ny taona 2018 hatramin’ny 2025 ny APA, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena tany Nagoya. Nilaza ny tale […]
Fampianarana ambaratonga ambony: « Tokony homena toerana 500 isa isan-taona»
Nanatontosa filankevitra nasionaly ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra tamin’ity herinandro ity, tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra. Anisan’ny nodinihina ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Mahavelombolo, hoy ny fanambarana nataon’ny biraon’ny Seces nasionaly, ny fanekena ny lalàna, didim-pitondrana ary didim-panjakana momba ny fampianarana ambony sy ny fikarohana. Mbola betsaka […]
Fanatsarana ny fandriampahalemana: 52 tapitrisa dolara lany tao anatin’ny 10 taona
Feno 10 taona ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny fanamafisana ny fandriampahalemana eto Madagasikara (PBF). Fiaraha-miasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana maromaro (Pnud, OIM, Unicef, Unesco) izy ity. 10 taona niantsehatra tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy sy amin’ny faritra hafa ny PBF. Voakasika manokana ny lohahevitra dina, tsy fandriampahalemana, tanora ary ny […]





