Auteur/autrice : Adnews

Fomba fiasa : nohelohin’ny MMM ny tsy fangaraharan’ny Ceni

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Nohitsin’izy ireo ta­min’izany ny tsy fahitan’izy ireo taratra ny finiavan’ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny asany amin-kitsim-po sy am-pahamarinana. “Helohinay ny fiziriziriana amin’ny fomba fiasa tsy mangarahara sy ny tsy fanajana lalàna mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy misokatra […]

Depiote Voninahitsy : “Tsy ilaina ny Tetezamita”

“Inona moa no antony hanaovana an’izany fitondrana Tetezamita izany? Tsy misy krizy politika eto amintsika”, hoy ny avy amin’ny vovonana C’Lera, ny depiote voafidy tany Morafenobe tamin’ny anaran’ny RPSD Vaovao, i Voninahitsy Jean-Eugène, momba ny fivoizana ny fidirana amin’ny fitondrana Tete­zamita. Raha avy amin’ny fitondrana tokoa ny fivoizana Tetezamita, midika […]

Rakotomavo José : “Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ifotony no vahaolana maharitra”

Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny “Vondrona Antanimena” izay nikarakara fihaonambe momba ny fampihavanana sy fanorenana ifotony teny Antenimena, taona 2014, Rakotomavo José: “Vahaolana maharitra no ilaina: fampihavanam-pirenena sy fanorenana ifotony.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? […]

« Neny miavaka »: haneho ny maha izy ny Reny no tanjona

Mitohy ny fifanina­nana «Neny Miavaka», andiany faharoa, karakarain’ny Mpampianatra mpanabe ho amin’ny fanovana Analamanga (MMFA). Tanjona ao anatin’izao hetsika izao ny hanomezana sehatra sy fankasitrahana ny reny mendrika. Ao anatin’ity fifaninanana ity ihany koa no hanehoan’ny reny tsirairay avy ny zava-bitany sy ny fahaiza-manaony. Misy ny fanehoan-kevitra sy fifampizarana fomba […]